Rasazy Hashline

CSB II Urbaine Betroka, faritra Anosy

MENDRIKA IZY

Teboka voalohany ao amin'ny Velirano fahadimin'ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA ny fanatsarana ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza. Manatanteraka izany am-pitiavana ny mpiasan'ny fahasalamana ary mikaroka ireo fomba rehetra hanasoavana ny mpiara-belona aminy. "Mizaka teny marary sy latsa ary tena tsy mora ny mandresy lahatra sy mampafantatra ireo Reny mitaiza kely sy ny olona ireo tombotsoa ara-pahasalamana azo amin'ny fanaovam-baksiny mahazatra ny zaza. Ampifaliana hatrany anefa no handraisako izany satria tiako ny mpiray tanindrazana amiko ho salama sy ho tomady mandrakariva." hoy Rasazy Hashline ao amin’ny CSB II Urbaine Betroka, faritra Anosy. #Alefa Rasazy Hashline, Tanora mandray andraikitra, mijoro sy mitsinjo ny mpiara-belona aminy