NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE

CSB II Bekoratsaka

MENDRIKA IZY

izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny fanatanterahana ny asa am-pitiavana sy am-pahavitrihana hatrany amin'ny fotoana rehetra. Maro ireo fiovana nentiny tamin'ny alalan'ny fomba fiasany ; Niakatra arak'izany ny tahan'ny fahazotoan'ny olona mamonjy ny tobim-pahasalamana fa indrindra ny vehivavy, ny tahan'ny fisafoana, ny fiterahana , ny fahazotoan'ny Reny mpianakaviana mitondra ny Zaza hanao Vaksiny ary ny tahan'ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
"Tiako ny mifandray amin’ny manodidina ahy ary anisan’ny mandrisika ahy hilofo fatratra izany eo amin’ny asa izay hiandreketako" hoy hatrany izy.
Toraka voninkazo ho anao Rasazy Aina, ary mankasitraka feno amin'ny fitiavanao manampy ny mpiara-belona, izay antokin'ny fampandrosoana ny Fahasalaman'ny Vahoaka Malagasy ary MENDRIKA ny halain-tahaka tokoa ny fomba fiasanao.