Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka, Ambohidahy - Auda-Nepad “Union Africaine” : Mitohy ny ezaka manatsara ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara.
Nandritra ny fihaonana faha-45 an-tampon’ny SADC, mitohy vakana ny vondrona iraisam-pirenena manohana ny vina napetraky ny fitondram-panjakana tarihin’ny filoham-pirenena sady filoha vaovaon’ny SADC, Andriamatoa Andry Rajoelina.
Noraisin’Andriamatoa minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof. Randriamanatany Zely Arivelo, sy ireo tomponandraikitra ambony ao amin’ny ministera i Ramatoa Nardos Bekele Thomas, lehiben’ny Auda-Nepad eo anivon’ny vondrona Afrikana.
Niompana tamin’ny fijerena ny maha-olona, fototra lehibe amin’ny fampandrosoana ny fihaonana :
fampiroboroboana ny fandrindrana fianakaviana
fanatsarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza
fanamafisana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana
Fahasalaman’ny vahoaka hatrany.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.
SCM/DIRCOM 16-août-2025