FAHA-30 TAONAN’NY SALAMA : TELOPOLO TAONA NIANTOHANA NY FAMATSIANA Fanafody HO AN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Notanterahina ny zoma 13 novambra 2026 ny lanonam-panokafana ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny SALAMA, Foibe mpamatsy fanafody sy fitaovam-pitsaboana eto Madagasikara. Tonga nanome voninahitra izany ny Tale misahana ny ACSSQDA, nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ireo solontenan’ny andrim-panjakana sy ny mpiara-miombon’antoka.

Niorina tamin’ny taona 1996, ny SALAMA dia nahavita 30 taona niantohana ny famatsiana sy fitsinjarana ireo fanafody tena ilaina sy vokatra ara-pahasalamana manara-penitra, amin’ny vidiny mirary sy tokana, ho an’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara.

Nandritra izay taona maro izay dia nampivelatra ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana enti-miasa ny SALAMA, ahitana trano fanatobiana entana mirefy 12 097 m², efitra fitahirizana mangatsiaka miisa 8, fiara mpitatitra entana miisa 23 ary masoivoho 5 any amin’ny faritra.

Izao faha-30 taona izao dia fotoana hankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny mpiasa rehetra izay nandray anjara tamin’ny fampandrosoana ny SALAMA, ary hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny ezaka ho amin’ny fanohizana ny iraka napetraka taminy.

Telopolo taona niantohana ny famatsiana fanafody, ary mbola mitohy ny ezaka ho fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.

CENTRALE D'ACHATS DE MÉDICAMENTS ESSENTIELLES ET DE MATÉRIEL MÉDICAL DE MADAGASCAR _SALAMA.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 14-nov.-2026