Partenariat

FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025

KIANJA CEG AMBOHIMANGAKELY- Alatsinainy 07 aprily 2025

"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny Fahasalamana 2025 izay notronin'Andriamatoa Prof.RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ary nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ny Filohan'ny Antenimieran-doholona Jeneraly RAVALOMANANA Richard arahin'ireo Olom-boafidy sy Olomboa-tendry isan-tsokajiny ary ireo mpiara miombon-antoka. 

Niavaka ny fankalazana tamin'ity taona ity amin'ny alalan'ny fanomezana lanja manokana ny Fahasalaman'ny Vehivavy, ny vehivavy bevohoka, ary ny Reny sy ny Zaza.

Ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA dia mametraka ho anisany laharam-pahamehana ny Fijerena ny maha olona ary miroso amin'y fanatanterahana izany ny Fitondram-pakjakana amin'ny alalan'ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Nisy ireo fanomezana tolotra ara-pahasalamana marolafy maimaimpoana ho fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka indrindra ny  Fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza. 

#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka

#Andro_Manerantany_ho_an_ny_Fahasalamana

 

SCM/DIRCOM 07-avril-2025

Zoom sur

Nos autres Activités