VAHOAKA VOAARO AMIN’NY TAZOMOKA DISTRIKAN’I MANDOTO, IKALAMAVONY, ISANDRA ARY ANKAZOABO
Ny Ministeran’ny Fahasalam-Bahoaka amin’ny alalan’ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Tazomoka izay tohanan’ny Governamanta Amerikanina amin’ny alalan’ny tetikasa PMI Evolve, /Abt Global dia namafy ranom-panafody mamono moka isan-tokantrano (CAID), ny volana desambra 2025, tao amin’ny Distrikan’i MANDOTO, IKALAMAVONY, ISANDRA ARY ANKAZOABO ATSIMO.
Tanjona amin’izany dia farafahakeliny ny 85 % ny tokantrano hita no hovoafendraka isaky ny distrika iantefan’ny tetikasa.
Nandritra ny famazana dia toby famendrahana miisa 11 tao amin’ny distrikan’i Isandra, Mandoto, Ankazoabo ary 8 tao Ikalamavony, no misahana ny famatsiana fanafody, fitaovana sy mikarakara ny famendrahana ao amin’ny distrika manontolo.
Mpiasa antselika miisa 868 no niantoka ny fanatanterahana famendrahana ranom-panafody mamono moka tamin’izany.
Tokantrano miisa 136 346 no voafafy ranompanafody , ary mponina mahatratra 727 539 no voaaro amin’ny tazomoka mandritry ny fotoam-pahavaratra izay mampirongatra ny tazomoka.
Fanafody mamono moka karazany efatra (4) no nampiasaina : Actellic 300 CS, Klypson 500 WG, Sumishield , ary Vectron T500, ovaovana ny karazana fanafody mba handaitra,hahafaty sy hampandositra hatrany ireo moka.
“Aza sarognana raha hafa na lokoina ny rindrigna lehe tapy nofindrahina, amin'izay mandaitsa ela soa ny fanafody. Akoats'izay , matoria fehizay agnaty lay misy odimoka amin'izay avo roa heny ny fiarovanao ny tegnanao”.
#MinSANP_SG_DGMP_DLMT_PLNP #Miasa miaraka ho an’ny Fanavaozana, manasitrana Firenena! #Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka!
DIRCOM/Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar 22-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...