FITSABOANA MANATONA NY VAHOAKA - FANDIDIANA SY FIAHINA ARA-PAHASALAMANA - CHRR MANAKARA

Fijerena manokana sy fikarakarana ireo mararin’ny "filariose lymphatique" tao amin’ny Faritra Fitovinany.

Ao anatin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS, dia manatanteraka ny fandaharan’asa maharitra 3 taona (2025–2027) izy ireo, izay mikendry ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo mararin’ny "hydrocèle" sy "lymphœdème".

Ity fandaharan’asa ity dia ahitana :

  • Fandidiana maimaimpoana ireo mararin’ny hydrocèle.

  • Fizarana fitaovana fanadiovana (kit washing) ho an’ireo mararin’ny "lymphœdème" : koveta, siny, kaopy, savony ary servieta.

  • Fitsaboana maimaimpoana ireo tranga misy krizy tampoka (crises aiguës).

Ny vokatra amin'ny ankapobeny ho an’ny Faritra Fitovinany dia :

  • 289 tamin’ireo 650 tranga hydrocèle no efa nodidiana, izany hoe 44%.

  • Tanjona napetraka: hahatratra farafahakeliny 70%.

Ny fiaraha mientana misy eo amin'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny OMS, ny fandaminana sy ny fanatanterahana ny fandraisana an-tanana, anisan’izany ny fitiliana laboratoara, ny fanafody sy kojakoja ilaina ary ny saran-dalana raikitra 100 000 Ariary ho an’ireo marary mahazo tombontsoa amin’ity fandaharan’asa ity.

Mitohy ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana mba hahatratrarana ny tanjona sy hanomezana fitsaboana mendrika sy maimaimpoana ho an’ireo olona voakasika.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. Sary: DRSP FITOVINANY. 15-nov.-2026