FANAVAOZANA EO AMIN’NY FAHASALAMANA : MISOKATRA NY GLOBAL INNOVATION CHALLENGE 2027 !

 
 

Hitadiavana vahaolana vaovao sy maharitra ireo fanamby sedrain’ny sehatry ny fahasalamana izany no fanamby hipetraky ny Hospital Partnerships Alliance (HPA) amin’ny alalan’ny Global Innovation Challenge 2027, izay tohanan’ny Minisiteran’ny Fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny Fampandrosoana ao Allemagne (BMZ), ary ahafahana misitraka famatsiam-bola hatramin’ny 1,5 tapitrisa Euros.

Lohahevitra telo lehibe no hifantohana :

Diaspora Power+ : Fampiasana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo matihanina Malagasy any ivelany ho fampandrosoana ny fahasalamana.

How to Stay Human+ : Fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fivoaran’ny teknolojia.

The Future Doctor+ : Fanomanana ireo mpiasan’ny fahasalamana hiatrika ny fanamby sy ny teknolojia vaovao.

Misokatra ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana, hopitaly, oniversite, mpikaroka, mpianatra ary tanora mpamorona hevitra ny fifaninanana. Tokony hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena telo farafahakeliny ny tetikasa ary hitondra tombontsoa mivaingana ho an’ny rafi-pahasalamana.

Ny 3 Janoary 2027 no ahafahana mandray anjara farany.
Hevitra fohy misy teny 300–400 no atolotra amin’ny dingana voalohany.

Manentana ny Malagasy rehetra voakasika ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba handray anjara ! Fotoana izao hampisongadinana ny fahaiza-manao Malagasy, hamolavolana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto amintsika ary hanamafisana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho tombontsoan’ny fahasalaman’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera 14-nov.-2026