FITSABOANA TSARA KALITAO HO AN'NY REHETRA FAMPITAOVANA HO AN’NY CHU MAHAVOKY ATSIMO SY CHU PZaGa ANDROVA

 
 

Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fitondrana Fanavaozana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy tsirairay avy na aiza misy azy na aiza. Tsy diso anjara amin’izany ny Faritry Boeny. Mitohy hatrany tokoa ny asa ataony amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pitsaboana.

Tanteraka androany ny lanonana fanolorana ireo fitaovana ara-pitsaboana ho an’ireo Hôpitaly lehibe roa tao Mahajanga.

Ny lanonana dia teo ambany fiahian'Andriamatoa Filohan'ny Fanavaozana, izay nisolotena azy tamin'izany ny Mpanolotsaina Avon'ny Fanavaozana Jeneraly ZAFITASONDRY RANOELSON Marcellin, nanotrona ny fotoana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, sy ireo Tompon'andraikitra ambony avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Masoivohon'ny Japon eto Madagasikara, sy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry isan-tsokajiny tao an-toerana ary ireo mpiasan'ny fahasalamana.

Dingana lehibe ho amin’ny fanamafisana ny fahafaha-manao ara-teknika sy ara-pitsaboana eny anivon’ireo toeram-pitsaboana ireo izao vita androany izao. Tanjaka ho an'ny mpitsabo ihany koa. Mazava ho azy fa hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny vahoakan’i Boeny sy manodidina ireto fitaovana vaovao ireto.

Fankasitrahana no atolotra ny mpiara-miombon’antoka, amin'ny fanehoan'ny Governemanta Japoney, nifandrimbona amin’ny fanohanana ny vina napetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy, amin'ny alalan’ny JICA (Agence Japonaise de Coopération Internationale), noho ny fiaraha-miasa sy ny fanohanany ny ezaka fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eto Madagasikara.

DESP BOENY - COMM.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

Ny Fitaleavana ny Serasera

Ny Fitaleavana ny Serasera 15-nov.-2026