TONGASOA AO AMIN’NY FARITRA BOENY RAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

 
 

Nigadona ao Mahajanga, androany 14 novambra 2026, Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.

Notsenain’ireo Tompon’andraikitra ara-panjakana, tarihin'ny Lehiben'ny Fileovan'i Mahajanga sy ireo mpiasan’ny fahasalamana tao an-toerana, izay nahitana ny Talen'ny Kabinetra, ny Mpanolotsaina ara-teknika, ny Tale Jeneralin'ny Fisorohana ara-pahasalamana ary ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka tao Boeny, tamin-kafaliana sy tamim-panajana no nandraisana ny Minisitra.

Nandritra izany dia nisy ny fihaonana teo amin-dRamatoa Minisitra sy ny solon-tenan’ireo mpiasan’ny fahasalamana avy ao an-toerana, notarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ireo Médecins Inspecteurs eny anivon’ny Distrika enina, teo koa ireo Talen’ny CHUPaZa sy CHUMA.

Natao izany hahafahana mijery akaiky ny zava-misy sy ny olana sedrain’ireo mpiasan’ny fahasalamana eo am-panatanterahana ny andraikiny, mba hahafahana mitady vahaolana mahomby, ho fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fandraisana an-tanana ny mponina.

Arak’izany toy ny ray aman-dreny sy zanaka ny fihaonana teo amin-dRamatoa Minisitra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana, izany dia nahafahan’izy ireo naneho mivantana ny olana sy ny sakana sedrainy eo amin’ny sehatry ny asa, ary nanolotra soso-kevitra momba ireo fanohanana ilaina hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana.

Nandritry ny fihaonana dia nihaino sy namaly ireo fanamarihana sy hetahetan’ny mpiasa Ramatoa Minisitra.

Nankahery sy namporisika azy ireo izy mba hanohy hatrany ny fanatanterahana ny andraikiny amim-pahavononana, na dia eo aza ny olana sy ny sedra samihafa. Ary nanome toromarika ihany koa izy mikasika ireo olana napetraka, indrindra ireo mifandraika amin’ny vesatry ny asa sy ny fanatsarana ny fepetra iasan’ny mpiasan’ny fahasalamana ho fanatsarana hatrany ny rafitra ara-pahasalamana sy hiantohana ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

 

Ny Fitaleavana ny Serasera. sary:DRSP BOENY - COMM. 14-nov.-2026