Actu_Mois

Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA

Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA – 1 Desambra 2024 : Gymnase Tanambao, Antsiranana

Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, miaraka amin’ireo olom-boafidy, voatendry ao Antsiranana, ary ireo mpiara-miombon’antoka maro.

Ao anatin’ny ezaka mitohy ataon’ny Fanjakana amin’ny alàlan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA, dia natolotra ho an’ny rehetra ny tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana marolafy toy ny fitiliana maimaim-poana ny VIH SIDA, nisy ihany koa ny hetsika toy ny diabe, lalao fanatanjahantena, ary fampisehoana ara-java-kanto izay nanampy tamin’ny fanamarihana manokana izany andro izany.

 Andao omena lanja ny zon’olombelona! 

Eo anilanao hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

#Ministeran_ny_fahasalamam_bahoaka  

#PNLIS 

#CNLS

#AndroManerantanyIadianaAminnySIDA  

#VIHSIDA  

#FahasalamanaHoAnNyRehetra

 

10-déc.-2024

Zoom sur

Nos autres Activités