FAMPAHAFANTARANA HO AN’IREO MPANAO GAZETY MIKASIKA NY ARETINA MPOX

Tontosa ny 22 janoary 2026 ny fihaonana fampahafantarana sy fanentanana ho an’ireo mpanao gazety mikasika ny fiparitahan’ny aretina endran-jazako (Mpox) eto Madagasikara, izay notarihin’ny Prof. Mamy RANDRIA, Incident Manager, sy ny Talen’ny DVSSER, Dr RASEHENO Harinirina, ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Raha nanokatra ny fivoriana Andriamatoa Rina Ravoniandro, Talen'ny serasera eo anivon'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka dia nanambara izy fa ny mpanao gazety no mpiara-dalana sy mpirahalahy mian'ala amin'ny Minisistera hanentana ny mponina amin'ny fitandremana rehetra, tsy hampihitatra ny nendran-drajako. Tanjona ao anatin'izao fihaonana izao ny hampitovy ny tadin-dokanga amin'ny vaovao marim-pototra zaraina ho an'ny vahoaka.

Mitaky firaisan-kina sy andraikitry ny tsirairay ny fiarovana amin’ity valan’aretina ity, ka ilaina ny fanentanana mivaingana sy ny fandresen-dahatra mba hahatonga ny rehetra handray an-tanana ny fahasalamany, hiaro tena ary hiaro ny hafa.

Izany indrindra no anton’izao fampahafantarana sy fampiofanana ireo mpanao gazety izao, satria izy ireo dia mpanentana lehibe sy mpiara-miombon’antoka fototra amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fampielezana vaovao marina sy mahasoa ho an’ny vahoaka.

MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 23-janv.-2026

Zoom sur

Nos autres Activités