FITOKANANA NY LABORATOIRE
FARITRA ATSINANANA-Sabotsy 24 janoary 2026
Tanteraka tao Toamasina ny fitokanana amin’ny fomba ofisialy ny "Laboratoire ACSSQDA" vaovao. Fotoana lehibe notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolenely RANDRIANIRINA Michael Mivady, sy ny Mpanolon-tsaina Avon'ny Fanavaozana ny Repoblika, niaraka tamin’dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MAGNANA Monira sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta, ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila avy eto amin'ny Faritra.
Ity Ivon-toerana fitiliana ity dia vato fehizoron’ny rafitra ara-pahasalamana, manamafy ny fahaiza-manao nasionaly eo amin’ny fitsirihana ara-tsiantifika, ireo singa rehetra ao amin'ny sakafo ary miantoka fanapahan-kevitra ara-pahasalamana haingana sy raitra.
Amin’ny alalan’ity fotodrafitrasa stratejika ity, hanatsara isika ny fanaraha-maso akaiky ireo karazan-tsakafo vantany tafiditra eto amin-tsika, hampihenana ny fahataran’ny valim-pitsirihana, indrindra fa ao Toamasina no misy ny seranan-tsambo lehibe indrindra eto Madagasikara.
Izao no natao mba hanakaiky kokoa ny vahoaka ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao amin'ny lafiny rehetra satria Zon'ny rehetra tokoa no misitraka izany fahasalamana izany, raha ny fampandrosoana ity Nosy malalantsika ity no tanjona amin'izao fotoam-panavaozana izao.
MIASA MIARAKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 24-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...