FITOKANANA NY IFIRP TOAMASINA – IVON-TOERAM-PAMPIOFANANA INFIRIMIERA
FARITRA ATSINANANA-Sabotsy 24 janoary 2026
Fararanon-danonana tokoa ny teto Toamasina tamin’ity faran’ny herinandro ity, satria nisesisesy ireo zava-bita lehibe natolotra ho an’ny vahoaka. Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana manokana, taorian’ny fanokanana ny "Laboratoire" manaraka ny fenitra, dia notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny IFIRP (Ivontoeram-pampiofanana Infirimiera), ivon-toerana iray natao hanamafisana ny fanofanana ho an’ireo ho infirimiera sy mpampivelona, ho antoky ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fiarovana ny ain'ny mpiara-belona.
Notokanana tamin’ny fomba ofisialy teto Toamasina ny IFIRP (Ivon-toeram-pampiofanana Infirimiera), taorian’ny fanokanana ny toerana fitiliana manaraka fenitra, ho fanamafisana ny fanofanana ireo ho infirimiera sy mpampivelona ary ho fanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana.
Ny lanonana dia notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, niaraka tamin’ny Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila. Notsindriana fa vokatry ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana izao fotodrafitrasa izao, izay antoky ny etika matihanina, ny fahaizamanao ary ny rafitra ara-pahasalamana matanjaka.
Nirary fahombiazana ho an’ireo mpianatra Ramatoa Minisitra ary nanamafy the fanoloran-tenan’ny Ministera amin’ny famahana tsikelikely ireo olana ilaina amin’ny fianarana mendrika, sady niantso ny mpisehatra rehetra hanatanteraka ny asa fitsaboana amim-pahamarinana sy mangarahara, ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 24-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...