Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FANOLORANA OFISIALY NY "AMBULANCE", "MOTO", "4*4" SY "CAMION" FRIGORIFIQUE SY TSOTRA APARITAKA MANERAN'NY NOSY

Vina napetraky ny Filoha-m-pirenena Andriamatoa Andry Rajoelina ny hisitrahan'ny Malagasy tsy an-kanavaka fahasalamana tsara kalitao amin'ny alalan'ny fanatonana azy ireo.

Natolotra androany: (1432) moto Honda XL, (18) ambulances ho an’ireo Distrika tsy mbola nahazo, (1) camion frigorifique IVECO, (2) camions Shacman, (13) Toyota Land-cruiser wagon, (29) Toyota Land-cruiser frigorifique. Fitaovana vaovao sy manara-penitra, entina manatsara ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza, manatsara ny kalitaon’ny vaksiny, ary mampitombo ny tahan’ny fanaovam-baksiny eto Madagasikara.

 

Ity ezaka ity dia maneho mazava ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka eo ambany fitarihan’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Randriamanantany Zely Arivelo, ary ireo mpiara mitombon'antoka, ny fanatanterahana mavitrika ny Politika ankapoben’ny Fanjakana momba ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny vaksiny eto amin'ny Firenena, manamafy ny fotodrafitrasa, ary indrindra ny fanolorana fahasalamana manakaiky ny vahoaka hatrany amin'ny Kaominina sy ny Fokontany

Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eo anilanao hatrany.

 

#MSANP
#ALLIANCEGAVI
#UNICEF
#BANQUEMONDIALE
#BADEA

SCM/DIRCOM 03-sept.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités