FAHASALAMANA MANAKAIKY VAHOAKA : CARAVANE MEDICALE
Distrikan’i Mahabo, Faritra Menabe
Ny fijerena ny maha-olona no vina entin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA. Maro ireo vahoaka mbola mitady fitsaboana amin’ny toerana lavitra na miakatra an-drenivohitra, ka manatanteraka paik’ady ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hanatona ny tolotra ara-pahasalamana sy hahazoan’ny rehetra tombontsoa. Tsy misy distrika adino.
Manatrika sy manolotra tolotra ara-pahasalamana ao Mahabo ny Caravane Médicale "Sarobidy ny Aiko":
Fitsaboana nify sy fametrahana solonify ,mampody tsiky sy fahatokisan-tena.
Fitarafana manara-penitra izay manome antoka sy fahatokisana ny fitsaboana.
Hetsika maneho sy mampiseho fa mijoro ny fanjakana, manakaiky ny vahoaka ary mampanjaka ny maha-olona ho lohalaharana.
#Association_Fitia
#Ministeran_ny_Fahasalamam_bahoaka
#Ministeran_ny_Filaminam_bahoaka
#Ministeran_ny_Mponina
#BFP
23-sept.-2025