FANATSARANA NY RAFI-PAHASALAMANA - FIHAONAN’NY MINISITERA SY NY MPIARAMIOMBON’ANTOKA
Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiaramiombon'antoka
Ho fanatsarana ny fandrindrana ny asa eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia notanterahina ny fikaonandoha niarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, notarihin-dRamatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, sy ireo Mpiaramiombon'antoka misehatra amin’ny fahasalamam-bahoaka, notron’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon'ny Minisitera.
Mifanaraka amin’ny vina fanavaozana napetraky ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao ity fivoriana voalohany ity, izay mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fandrindrana eo amin’ny sehatra rehetra.
Tanjona ny fametrahana vahaolana maharitra entina hanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara, hahafahan’ny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANAVAONZANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
SCM/DIRCOM 13-nov.-2025