AKON'NY FIHAONANA TEO AMIN’IREO SOLOMBAVAMBAHOAKA SY IREO MPIKAMBANA SASANY AO AMIN’NY GOVERNEMANTA
TSIMBAZAZA - LAPAN'NY ANTENIMIERAMPIRENENA
Nisongadina androany tao Tsimbazaza – Lapan’ny Antenimierampirenena ny fihaonan’ny Solombavambahoaka sy ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governemanta, ka isan’ireo tonga nanatrika sy namaly ny antson’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr MANAGNA Monira.
Nanolotra ny fijery sy ny paikady fototra hanatsarana sy hampiroboroboana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara Ramatoa Minisitra, ka nampahafantariny ireo fanavaozana lehibe ho tohana ny zo fototra sy ny filàn’ny vahoaka:
-
Famelomana indray ireo tolotra fototra iankinan’ny fahasalaman’ny rehetra.
-
Fahasalamana manome fitsaboana tsara kalitao sy ara-drariny.
-
Fisorohana sy fanaraha-maso ireo aretina.
-
Fanamafisana ireo fotodrafitrasa sy fitaovana ilaina hoenti-misoroka sy mitsabo.
-
Tolotra ara-pahasalamana ho an’ny rehetra, fototry ny fiaraha-monina salama sy mampandroso.
Nasehon’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Solombavambahoaka tsirairay mba hahafahana manatsara ny tolotra ara-pahasalamana isam-paritra. Ny tanjona dia ny hahazoan’ny vahoaka rehetra fitsaboana tsara kalitao manerana ny Nosy.
Vonona hatrany Ramatoa Minisitra ny mihaino, miresaka ary mandray ireo soso-kevitra rehetra entina hanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka. Entanina ireo mpisehatra rehetra sy ny fiaraha-monina hiara-dalana amin’ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ireo vinam-panavaozana ho tombontsoam-bahoaka.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANAVAOZANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
SCM/DIRCOM 18-nov.-2025