Fijerena ny maha-olona
FANJAKANA MANDRAY ANDRAIKITRA — FAHASALAMANA HO AN’NY REHETRA
Araka ny Andininy faha-99 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia natolotry ny Praiminisitra RAJAONARIVELO Herintsalama teny Tsimbazaza ny Talata 18 Novambra 2025 ny Fandaharan’asa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PAF) ho an’ny Fanavaozana Ifotony.
Raha fintinina, ireto soatoavina malagasy ireto no iorenan’ny PAF: fifanajana, fihavanana, fiaraha-mientana.
Andry lehibe telo no fototra ijoroany:
-
Famaliana ireo filàna fototra sy maika amin’ny vahoaka.
-
Fanovana rafitra sy ady amin’ny kolikoly.
-
Fikarakarana fifidianana mangarahara handraisan’ny rehetra anjara sy fifampidinihana.
Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’ity fotoana lehibe ity ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ramatoa Dr MANAGNA Monira, ho fanehoana ny fahavononan’ny Minisitera hanatanteraka ny PAF amin’ny alalan’ny:
-
Fanamafisana ny fahasalamana manakaiky ny vahoaka.
-
Fanatsarana ny rafitra sy ny tolotra ara-pahasalamana manerana ny Nosy.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANAVAOZANA, MANASITRANA NY FIRENENA
SCM/DIRCOM 19-nov.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...