Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FITSIDIHANA TAMPOKA NATARIK’DRAMATOA MINISITRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA Dr MANAGNA Monira

HOPITALY JOSEPH RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA – Alakamisy 20 Novambra 2025

Tonga tampoka tao amin’ny CHU-JRA ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministera. Nitsidika sampan-draharaha maro toy ny service oncologie pédiatrique, neurochirurgie, imagerie médicale, laboratoire ary ny urgence izy ireo, nijery akaiky ny zava-misy sy ny filàna ao amin’ity toeram-pitsaboana ity.

Nankasitraka sy nanome hery ny mpiasan’ny fahasalamana Ramatoa Minisitra noho ny ezaka sy adidy lehibe ataon’izy ireo isan’andro amin’ny fikarakarana ny marary.

Nanamafy ihany koa izy fa ilaina ny fanatanterahana asa lavitry ny kolikoly. Mitohy ny ezaka fanatsarana ny fandraisana sy ny fitsaboana eny anivon’ny hopitalim-panjakana rehetra, hoy izy nampita ny hafatra tamin’ny mpiara-miasa. Nomarihiny manokana fa ny fanatsarana sy fampitoviana mirindra amin’ny alalan’ny fitarafana sy fitiliana dia hanova zava-dehibe mba hanomezana fahafaham-po ny vahoaka amin’izao fotoana fanavaozana izao.

Nohamafisiny fa mihaino ny sehatra rehetra ny Ministera. Efa natao tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny sendika ary ny olom-pirenena izany, ary farany teo dia ireo solombavambahoaka ihany koa no noraisina.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

20-nov.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités