Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

FANOVANA MIAINGA IFOTONY – MATERNITÉ BEFELATANANA

Miainga avy any amin’ny fiandohana ny fanovana. Ny zaza no fiandohan’ny fiainana manontolo, ary ny reny no loharanon’ny fiainana.

Izany indrindra no nahatonga an’Andriamatoa RAJAONARIVELO Herintsalama, Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, nitsidika ny CHU Gynéco-Obstétrique Befelatanana, niaraka tamin’i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira.

Nisy ny fijerena ireo fotodrafitr’asa izay efa misy fahasimbana. Tsy adino ihany koa ny fitsidihana ireo reny sy zaza ary ny fisaorana sy fankasitrahana ireo mpiasan’ny fahasalamana izay nanao ny ainy tsy ho zavatra, indrindra tamin’ireo tolom-bahoaka farany teo.

Naneho firaisan-kina tamin’ity fitsidihana ity ihany koa ny tompon’andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina.

Ny tanjon’ity fitsidihana ity dia ny:

  • hamelona ireo soatoavina malagasy mifantoka amin’ny fihavanana sy firaisan-kina ary fifampitsinjovana,

  • hitady vahaolana fohy ezaka entina hanatsarana ny trano hiantombohan’ny aina,

  • hanao ny ezaka rehetra hahatsara ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ireo zaza vao teraka, izay ho avin’i Madagasikara.

Masina ny aina ka mila tohanana amin’ny lafiny rehetra.

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

22-nov.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités