Fijerena ny maha-olona
Tranga nahafatesana olona 5 tao SAVA : Nidina an-kianja avy hatrany ny Minisitry ny Fahasalaman
Manoloana ny tranga ara-pahasalamana tao amin’ny Fokontany Antsahatopy, Kaominina Fanambana, Distrikan’i Vohemar, noho ny fihinanana trondro misy poizina izay nahafatesana olona dimy tamin’ireo dimy ambin’ny folo, dia tonga nitsapa alahelo sy nankahery ireo fianakaviana niharamboina Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr MANAGNA Monira sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanotrona izany koa Andriamatoa IBRAHIM Issa Charles, Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrik’Antsiranana I sady Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny Faritan’Antsiranana, ary Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Stipio, Solombavambahoaka voafidy tao Vohemar.
Nisy ihany koa ireo mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hôpital Salfa Vohemar ka notsidihina manokana. Ny dokotera urgentiste RANDRIAMIFIDY Zafiniavo Dauphin no nitarika ny fanarahamaso niaraka tamin’ireo mpitsabo ao an-toerana.
Nitondra fanafody ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka hanampiana ny fitsaboana ireo marary. Noraisina an-tanàna ihany koa ny fikarakarana ireo mbola manaraka fitsaboana, hatramin’ny fiverenany any an-trano rehefa sitrana tsara.
Nanentana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka mba hitandrina amin’ny sakafo hohanina, ho fiarovana ny fahasalamana. Nanamafy izy fa efa nampitaina amin’ny tompon’andraikitra sy ny mpiasan’ny fahasalamana ny toromarika rehetra ho fisorohana ny tranga mitovy amin’izao, indrindra amin’ny fanentanana ny mponina momba ny fihinanana hazan-dranomasina tsy azo antoka.
Mankasitraka sy misaotra ny fandraisan’andraikitra ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny nosy ho an’ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AMIN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
SCM/DIRCOM 22-nov.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...