JERY TODIKA NY AMIN'NY FIARAHA-MIASA AMIN'NY BANKY IRAISAM-PIRENENA ETO MADAGASIKARA
Tanteraka androany tao amin'ny Carlton Anosy ny dinika momban'ny famatsiam-bolan'ireo tetikasa iarahana amin'ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara.
Ny Ministery ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr. RAMIARISON Herinjatovo, sy ny Solontenana Maharitry ny Banky Iraisam-pirenena eto Madagasikara, Andriamatoa Atou SECK no nitarika ny fotoana.
Nanatrika izao fivoriana izao ireo mpikambana amin'ny Governemanta vitsivitsy izay manana tetikasa vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola, anisan'izany i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
Nisongadina tamin'izany ireto fanatsarana ny rafi-pahasalamana ireto :
-
347 tobimpahasalamana fototra voavatsy fitaovana feno,
-
126 Hopitalim-panjakana voavatsy fitaovam-pitiliana (matériels de laboratoires),
-
50.000 fatra (doses) VAR Humains,
-
122.500 fatra (doses) VAR Animaux,
-
8,5 tapitrisa dollara novatsiana fanafody sy kojakoja amin'ny Fandrindrana Fianam-pianakaviana,
-
6 Instituts de Formation Inter-Régionales des Paramédicaux nohavaozina.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
SCM/DIRCOM 27-nov.-2025