Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

AGORA Santé ANDIANY VOALOHANY : SEHATRA IOMBONANA HO FAMPANDROSOANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

Nisokatra androany zoma 28 novambra ary haharitra 2 andro ny fihaonan'ireo mpisehatra eo amin'ny fahasalamam-bahoaka, AGORA Santé andiany voalohany. Fotoana lehibe natao hanamafisana ny fifanakalozana, ny mangarahara ary ny fandrindrana ny asa fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara.

Raha nanokatra tamin'ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira, dia nanentana ireo mpandray anjara ny hanana fijery miabo, mahay mifanoro sy mizara traik'efa hahafahana manatanteraka ny asa fitsaboana mendrika, tsara kalitao ary lavitry ny kolikoly amin'izao fotoam-panavaozana izao.

Mankahery ireo mpiasan'ny fahasalamana tsy an-kanavaka maneran'ny Nosy Ramatoa Minisitra, amin'ny asa fikarohana sy fitsaboana ho fampandrosoana ny Firenena, ary nanamafy Izy fa misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny rehetra ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka.

Trano heva miisa 42 mampiranty ny sehatra misy azy tsirairay avy :

  • fizarana fikarohana siantifika,

  • famelabelarana arahana ady hevitra.

Ireo ny santionany hita mandritry ny 2 andro, marihana fa azon'ny rehetra tsidiana maimaimpoana.

Tompon'antoka amin'ity hetsika ity ny "Confédération des Professionnels de Santé à Madagascar" otronin'ny "Académie Nationale de Médecine", tazana teny ihany koa ny Filohan'ny "Commission santé Assemblée Nationale", izay Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Distrikan'i Moramanga sy ireo mpiaramiombon'antoka.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANANA, MANASITRANANA NY FIRENENA.

SCM/DIRCOM 28-nov.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités