hafa
Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny VIH/SIDA : azo fehezina ny aretina
Itaosy Kaominina Bemasoandro - Alatsinainy 01 Desambra 2025
"Mioitra amin’ny sakana, mampahomby ny paikady iadiana amin’ny VIH/SIDA" no lohahevitra nosafidiana ho an’ny taona 2025.
Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy androany ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny VIH/SIDA, hetsika manan-danja izay nanamarika dingana lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fiarahamonina. Nanome voninahitra izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Monira.
Tombanana ho 90 000 ny isan'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara, saingy 32 000 mahery no voatily, ka midika izany fa olona 58 000 no mbola tsy voatily nefa mety mamindra tsimokaretina manerana ny Nosy. Raha ny tranga vaovao no jerena, ny zatovo sy tanora ao anatin’ny sokajin-taona 20 hatramin’ny 49 taona no tena tratran’ny tsimokaretina.
Azo fehezina ny aretina.
Tanjona amin'ny fankalazana ny hampitomboana ny fahalalan’ny olom-pirenena momba ny VIH/SIDA, hanesorana ny henatra sy ny tahotra mbola mitoetra, ny fanilikiliana, ary indrindra ny hanaporofoana fa azo fehezina sy azo sorohana tsara ny fihanaky ny aretina amin'ny alalan'ny fitiliana sy ny fiarovan-tena.
Mazava fa azo tsaboina tsara ity tsimokaretina ity ary maimaimpoana ny fitsaboana. Afaka miaina toy ny olon-drehetra ny mitondra ny VIH/SIDA raha manaraka fitsaboana sy mandray tsy tapaka ny fanafody.
Ankoatra ny fitiliana VIH/SIDA, nisy ihany koa ireo tolotra ara-pahasalamana isan-karazany sy maimaimpoana natokana ho an’ny vahoaka.
Miasa miara-ka isika ho an’ny fanovana sy ho fanasitranana ny firenena.
DIRCOM 01-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...