hafa

Ikongo : eny ifotony avokoa ireo iraka mpanao fanadihadiana ny trangan’aretina niseho izay nahafatesana olona maro nanomboka ny volana febroary.

Anisan’ny toe-javatra nitranga nampalahelo teto amin’ny firenena ny fahafatesan’olona maro misesisesy tao anatin’ny 8 volana monja tany amin’ny Distrikan’Ikongo tamin’ity taona 2025 ity.

Tsy fahasalamana tampoka avokoa amin’ny ankapobeny no nitranga teny amin’ny fiarahamonina ka nitarika ny fahafatesan’ireo olona maro. Noho izany indrindra no nahatonga ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nanokatra fanadihadiana ara-pahasalamana sy nidina ifotony eny anivon’ireo fokontany nahitana tranga betsaka indrindra.

Tokantrano mihoatra ny 70 ao anatin’ny fokontany samihafa no notetezin’ireo mpiasan’ny fahasalamana, ary fitaleavana maro avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no niara-niasa hitady sy hanadihady ny tena zava-misy aty Ikongo.

Andraikitry ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny miahy ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana rehetra ireo ampanjaka, olobe, sojabe ary tangalamena noho ny fandraisana andraikitra nasehon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka tany amin’ny Distrikan’Ikongo.

Aorian’ny fanadihadiana ara-pahasalamana natao no hahafantarana ny tena foto-traretina, ka hahafahana mametraka paikady fisorohana tsy hiverenan’ny fahafatesan’olona maro ao anatin’ny fotoana fohy tahaka ny zava-nitranga teo aloha.

 

Miasa miara-ka isika ho an’ny fanovana sy ho fanasitranana ny firenena.

DIRCOM 02-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités