hafa
Fifidianana madio sy mangarahara : fintantanana ny holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara
CHUJRA, Alakamisy 4 desambra 2025
Tanterahana anio etsy amin'ny Amphithéatre CHUJRA ny fifidianana izay filoha hitantana indray ny holafitry ny mpitsabo eto Madagasikara.
Lisitra telo no mifaninana ary samy manana ny rafitra eo ambaniny avy. Telo taona ny faharetan'ny fotoam-piasan'ny filoha vaovao ho voafidy.
Tonga nanatanteraka ny adidiny io maraina io i Dr Managna Monira, mpitsabo sy mpikambana feno ao anatin'ny holafitry ny mpitsabo, sady Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nandritra izany dia nanentana ireo mpitsabo namany izy mba ho tonga hifidy satria taratry ny maha-sarobidy ny fandraisana andraikitry ny mpitsabo izany fandehanana mamita adidy izany.
Masina ny asa fitsaboana ka ny fisian'ny rafitra matotra toy izao dia ahafahana mifampifehy, mifampizara traikefa amin'ny samy mpitsabo, ary manara-maso ny fampiharana ny zon'ny marary amin'ny fijerena ireo misandoka ho mpitsabo sy manao fitsaboana tsy nahazoan-dalana izay manimba ny asa fitsaboana.
Marihina fa Dr Rakotoniaina Marco Aimé no filohan'ny komity mikarakara izao fifidianana izao, ary Dr Mevasoa Razanatoniarivay kosa no filoha vonjy maika ao amin'ny holafitra amin'izao fotoana izao.
Miasa miara-ka isika ho an'ny fanovana sy ho fanasitranana ny firenena.
DIRCOM 04-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...