hafa

Fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara

Ambohidahy, Alakamisy 04 desambra 2025

Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Managna Monira, teto Ambohidahy, ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny Masoivohon’i Sa Majesté le Roi du Maroc, Andriamatoa Mohamed Benjilany.

Nodinihina manokana ny fiaraha-miasa sy ireo paikady samihafa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana eto Madagasikara, mba hahafahana manamafy hatrany ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka sy manatsara ny tolotra ho an’ny vahoaka.

Efa maro ireo asa vita tamin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Maroc ho fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana, anisan’izany :

– Ny fampiofanana ireo mpitsabo misahana ny « gynécologie et urologie » sy ny sehatra hafa.
– Ny fanokafana ivontoeram-piofanana matihanina ho an’ireo mpisehatra eo anivon’ny fahasalamana.
– Ny fanarenana ny ivontoeram-pitsaboana onkolojia pediatrika tao amin’ny CHUJRA.
– Ny fananganana hopitaly lehibe manana fandriana fandraisana marary 100 ao Antsirabe, izay ho vita tsy ho ela.

Hisy ihany koa ny fampidirana ireo mpiasan’ny fahasalamana ho fanamafisana ny kalitaon’ny fitsaboana sy ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ao anatin’izany hopitaly izany.

Ny fiaraha-miasa dia maneho mazava ny firaisankina sy fifankatiavana efa nisy hatramin’ny taona maro teo amin’i Madagasikara sy Maroc.

 

Miasa miara-ka ho an’ny fanovana sy ho fanasitranana ny firenena.

04-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités