DIPLAOMASIA : FANAMAFISANA FIARAHA-MIASA MADAGASIKARA – CHINE
Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, Ambohidahy - Alakamisy 04 Desambra 2025
Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ny Masoivoho ny "Chine" eto Madagasikara, Andriamatoa Ji Ping androany tao Ambohidahy.
Nodinihana manokana nandritry ny fihaonana ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy ny kalitaon'ny fitsaboana eto Madagasikara. Ny fiaraha-miasa toy izao dia mitondra soa ho an’ny fahasalamam-bahoaka fa indrindra mifanindrin-dalana amin’ny ezaka ataon’ny fitondrana ankehitriny dia ny hanomezana ho an'ny vahoaka ny fahasalamana tsara kalitao sy tsara tantana.
Efa aman-taonany maro no niarahan’i Madagasikara niasa tamin'i "Chine" ary maro ireo tetik’asa nahafahana nanatsara hatrany ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana teto Madagasikara.
Marihina etoana fa any Ambovombe no ho hatao ny fankalazana ny faha 50 taona ny fiaraha-miasa eo amin’ny Firenena roa tonta. Toerana miisa efatra no hanatanterahana izany eto Madagasikara dia any Ambovombe, Sambava, Vatomandry ary Antananarivo.
Hamafisina sy hatsaraina arak’izany ho an’ny tombotsoan’ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy ny fiaraha-miasa ny Firenena roa tonta.
#MADAGASIKARA_CHINE
#Minisiteran_ny_Fahasalamam_bahoaka
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
04-déc.-2025