hafa
FANAMAFISANA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY SEHATRA TSY MIANKINA : HO FANATSARANA NY FAHASALAMAN'NY MASO
Sarobidy sy tsy azo atao ambanin-javatra ny fahasalaman’ny maso, ary tsy mitsahatra manamafy izany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin'ireo Mpiara-miombon'antoka aminy.
Arak'izany, notanterahana ny 01 ka hatramin’ny anio 05 desambra eny amin’ny CHU Anosiala ny fandidiana "cataracte" iarahana amin’ny fikambanana Pneumo-Aide, notarihan-dRamatoa Laure Eva Etcheverry, Filohany, niaraka tamin'i Dr. Michel Di Nolfo "mpandidy maso".
Ity hetsika ity dia manampy mivantana ireo olona very fahitana na marefo noho ny fahasimban’ny maso.
Ankoatry ny fandidiana, dia nanome voninahitra ny fanolorana ny fitaovana, Ramatoa Tale Jeneralin'ny "INSPC" Dr. HANITRINIALA SAHONDRANIRINA Pâquerette, izay niarahan'ny Pneumo Aide sy Total Energies Marketing Madagascar natolotra ary nahitana :
-
"Optopol Revo OCT", izay manamora ny fitiliana ireo aretin'ny maso sarotra hita amin’ny fomba mahazatra,
-
"Table opératoire",
-
"Fauteuil ergonomique" ho an’ny mpandidy.
Ireo fitaovana ireo dia hanatsara ny kalitaon’ny fitsaboana ary hanamafy ny fahafahan’ny mpitsabo miatrika ny fitsaboana ny aretin-maso amin’ny fomba maoderina.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 05-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...