hafa

ADY AMIN’NY HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANONJAZA : FAHAMPANAFTARINA IREO MPANAO GAZETY NY MOMBA NY VAKISINY

Ankorondrano. Zoma 05 desambra 2025

Natao androany ny atrik’asa fampahafantarana sy fanentanana ireo mpanao gazety mahakasika ny fampidirana ny vakisiny "anti-HPV" eto Madagasikara, notarihin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza dia mbola isan’ireo olana ara-pahasalamana lehibe eto amin’ny Firenena izay mahakasika ny vehivavy sy ny zatovovavy. Raha natao ny fanadihadihana, dia fantatra fa eo amin'ny 12 taona eo ny zatovo vavy no manomboka firaisana ara-nofo. Izay indrindra no nahatonga an’ito hetsika faobe ito hikendry ireo zazavavy 9 ka hatramin'ny 14 taona.

Mila fanentanana lehibe sy fandresen-dahatra izany mba hahatonga ireo renim-pianakaviana hitondra ny zanany hatao vaksiny. Izany indrindra no nahatonga izao fampahafantarana sy fampiofanana ireo mpanao gazety izao, satria izy ireo dia anisan'ny mpanentana sy mpiara-miasa amin'ny Ministera mba hahazoana fahombiazan'ny hetsika.

Tsiahivina fa ny 8 ka hatramin’ny 12 desambra izao no hanatanterahana ny hetsika fanaovam-baksiny faobe "anti-HPV" izay maimaimpoana tanteraka manerana ny Nosy.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 05-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités