hafa
FARITRA ITASY, FANATSARANA NY TOLOTSA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY VAHOAKA ENY IFOTONY
Masiakamalona, Sabotsy 6 desambra 2025
Fararanon-danonana tokoa raha ny teto amin’ny Faritra Itasy manokana no resahana. Tontosa androany tokoa mantsy ny fanolorana amin'ny fomba ofisialy ny CSB I vaovao ho an'ny vahoakan'i Masiakamalona sy ny manodidina.
Ny fitondram-panjakana ankehitriny dia mametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka. Porofon’izany izao fanolorana foto-drafitr’asa manakaiky ny vahoaka izao.
Hiova tokoa ny fiainan’ireo vahoaka eo an-toerana amin’izao fahazoana tobim-pahasalamana fototra izao izay misy ireo fitaovana moderina sy fanaka ilain’ireo mpiasan’ny fahasalamana ka ahafahan’izy ireo misitraka fitsaboana akaiky sy tsara kalitao.
Lanonana tsotra nefa feno fifankatiavana sy firaisan-kina tokoa ny niseho androany izy notarihan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Morina, izay nanentana ihany koa ireo ray aman-dreny teo an-toerana hitondra ireo zanany vavy 9 ka hatramin’ny 14 taona ho atao vaksiny ho fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Hanomboka amin’ny alatsinainy izao tokoa mantsy io hetsika io eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra.
Tsara ny mampahafantatra fa misokatra ary miasa avy hatrany ity CSB I ity izay volam-panjakana madiodio no nanaovana azy.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 06-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...