hafa

FARITRA ITASY - FANOLORANA NY CSB II FIEFERAMANGA : ZON'NY VAHOAKA NY MISITRAKA FAHASALAMANA

Fieferamanga – sabotsy 6 desambra 2025

Ankoatran’ny Masiakamalona dia nahazo ny anjarany ihany koa ny mponina ao Fieferamanga tamin’ity andro ity. Androany tokoa mantsy no nanoloran-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, tamin’ny fomba ofisialy ny CSB II vaovao ao Fieferamanga.

Foto-drafitr’asa lehibe natao hanamafisana ny rafi-pahasalamana sy hanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ireo mponina ao amin'ity Kaominina ity sy ny manodidina.

Efa voavatsy fitaovana izay mety ilaina rehetra ity tobim-pahasalamana vaovao ity handraisana sy hikarakarana ireo marary. Toy izany ihany koa, ireo mpiasan’ny fahasalamana dia efa vonona handray ireo mila fitsaboana avy hatrany.

Nandritra ny fandraisam-pitenenan-dRtoa Ministra no nanaovany antso amin’ireo vahoaka sy ireo tompon’andraikitry ny fahasalamana rehetra mba hahaizan’ny rehetra hikolokolo sy hikajy izao fitaovana iombonana izao.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana tsotra ireo Tompon'andraikitra ambony sivily sy miaramila avy ao an-toerana.

Fiara-miasa madio niarahana tamin'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy ho an'ny Olomasin'ny Andro Farany no nazahoana ity tobim-pahasalamana fototra ity.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 07-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités