hafa

FANOLORANA NY CSB 2 TSIROANOMANDIDY VILLE VAOVAO, FARITRA BONGOLAVA

Sabotsy 06 desambra 2025

Tontosa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny Tobim-pahasalamana vaovaon'ny Tsiroanomandidy Ville (CSB II Urbain Tsiroanomandidy), izay notarihin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira sy ireo mpiara-dia aminy ary natrehan'ireo olom-panjakana sy olo-manan-kaja avy tao an-toerana.

Nisongadina tamin'ny lahatenin-dRamatoa Minisitra fa : ny Fitondram-panjakana Malagasy dia manao laharam-pahamehana ny tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an'ny vahoaka sy misokatra amin'ny sehatra rehetra ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho fitsinjovana ny vahoaka Malagasy.

Nanolotra fisaorana ireo Ben’ny Tanàna tamin’ny fanomezana trano nampiasain’ny CSB nandritra ny taona maro ary manentana ny vahoaka tsy hisalasala raha misy tsy fahasalamana mba hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany.

Amin'izao fanaovam-baksiny miaro amin'ny homamiadan'ny vozon’ny tranon-jaza dia manentana ny ray aman-dreny rehetra manerana ny Nosy izay manan-janaka vavy 9 - 14 taona mba hanatona ny CSB izay akaiky antsika hanatanteraka izany vaksiny izany izay hotanterahina ny 08 - 12 desambra 2025 ho avy izao.

Nankahery amin’ireo adidy miandry rehetra izay tsy mora sy nanentana mba handray tsara ny marary rehetra tsy an-kanavaka, ary ny hikolokolo ny foto-drafitrasa mba ho lavorary ho an’ny taranaka faramandimby ihany koa Izy. Ity CSB ity dia hisahana Kaominina miisa 2 sy Fokontany miisa 23.

Nandritra ity fotoana ity, dia notsidihan-dRamatoa Minisitra ny Hopitalibe Tsiroanomandidy (CHRR) : nanome toky izy ny amin’ny fanatsarana ny foto-drafitrasa mba hampihodinan-tsara ny hopitaly ho tombontsoan’ny vahoaka.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 06-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités