hafa
ADY AMIN’NY HOMAMIADAN’NY VOZON’NY TRANON-JAZA ETO MADAGASIKARA
CSB II Anosy Avaratra – Talata 09 Desambra 2025
Aretina mangina, manimba tsikelikely ny vatana sy ny fiainana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza.
Mitana ny laharana faha 4 mahafaty ny vehivavy maneran-tany io aretina io ary 45 ny tranga vaovao hita eto Madagasikara amin’ireo vehivavy 100.000.
Mahavaky fo ny mahita vehivavy mbola tanora miatrika fanaintainana sy tahotra noho ny aretina iray azo sakanana tanteraka.
Imasoan’ny Fitondram-panjakana amin'izao fotoam-panavaozana izao ny fisorohana ireo aretina, anatin'izany ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fanavaozana ny fotodrafitr’asa sy ny fampitaovana ny toeram-pitsaboana manerana ny Nosy.
Azo sorohana ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza amin’ny vaksiny "anti-HPV", vaksiny ekena sy nankatoavin’ny "OMS", ary efa ampiasaina maneran-tany.
Fiarovana tsotra, haingana ary mahomby.
Notarihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ny fanombohana amin'ny fomba ofisialy ny fanaovam-baksiny faobe "anti-HPV" ho tanterahina manomboka ny 8 –12 Desambra 2025, eny amin'ny CSB sy ireo sekoly mpiara miasa, ho an’ireo zatovovavy 9 –14 taona.
Noho ny fisian’ny valan’aretina kitrotro tao amin’ny Distrika 35, dia nakambana ihany koa ny vaksiny fanefitra ny kitrotro mba hiarovana ny vahoaka.
Nandritry ny fandraisam-pitenenany dia nanentana ireo ray aman-dreny Ramatoa Minisitra mba tsy hisalasala fa hitarika ireo ankizy hanao vaksiny satria tokoa aleo misoroka toy izay mitsabo.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 09-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...