MANKALAZA NY FAHA-50 TAONAN’NY HOPITALY JOSEPH RAVOAHANGY ANDRIANAVALONA ANOSY
CHUJRA-Alarobia 10 Desambra 2025
Nanomboka tamin’ny taona 1975 no nisokatra ny sampana Laboratoara tao amin’ny HJRA, ka nanomboka teo dia nitohy tsikelikely ny fanorenana sy ny fampivoarana ireo sampan-draharaha rehetra ao amin’ny hopitaly. Mifantoka indrindra amin’ny asa fandidiana ny CHUJRA, ary ankehitriny dia mahavita mandray sy mitsabo aretina maro samihafa.
Nanamarika ny faha-50 taonany ny nisian'ny Hopitaly CHUJRA ny fampahafantarana ireo rantsa-mangaika sy sampana samihafa misy ao an-toerana ary ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana na Varavarana misokatra anio, ka dia maimaim-poana avokoa ho an’ny vahoaka.
Nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, tamin’ity lanonana ity Ramatoa Tale Jeneralin'ny INSPC, Dr. SAHONDRANIRINA Hanitriniala Pâquerette. Tonga nanotrona ny fotoana ihany koa ireo Profesora sy ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 10-déc.-2025