hafa
FANAMAFISANA NY SEHATRY NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AO AMIN’NY FARITRA FITOVINANY
Nigadona tao Manakara androany Alakamisy 11 Desambra 2025 ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA, niaraka tamin’ny delegasionina izay notarihany ka isan'izany Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira.
Nandritra izany ny nanolorana ireo fitaovana hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ao amin’ny Faritra, toy ny kodiarandroa miisa 100 ho an’ireo "Chef CSB", ny "groupe électrogène" ho an’ny Hopitaly CHRR Manakara, ary fiara tsy mataho-dalana ho an’ny Talem-paritra DRS.
Isan'ny laharam-pahamehana amin'izao fotoam-panavaozana izao ny fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara ary namafisin-dRamatoa Minisitra ny finiavany hanatsara ny lafiny ara-pahasalamana sy ny kalitaon’ny fitsaboana manerana ny Nosy, indrindra ny eny ifotony.
Nankahery ny mpiasan'ny Fahasalamana rehetra sy nampatsiahy ihany koa Izy fa mitohy ny fanaovam-baksiny "anti-HPV" ho an’ny ankizivavy 9–14 taona ary hisy ny fizarana fanafody faobe hiadiana amin’ny kakantsinay amin’ny herinandro ho avy izao.
Nanamarika ity androany ity ny fandraisana fitarainana sy fifampiresahana mivantana amin’ny mpiasam-panjakana sy ny mponina tao amin’ny efitrano malalaky ny Kaominina Ambonivohitra Manakara, niarahana tamin'ireo Tompon'andraikitra ambony eto amin'ny Firenena.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 11-déc.-2025
Actualités
Nos recents Actualités
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...