Raha te hitondra Fanavaozana marina no tanjona, dia tsy maintsy midina mandeha mijery ny zava-misy eny an-toerana aloha.
Mitohy hatrany ny fitsidihana ataon-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ny any amin'ny Faritra Fitovinany any.
Hifanerasera amin'ireo mponina sy hidinidinika amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana any an-toerana no anisan'ny anton'izany.
Tao amin'ny CSB II Ivato Distrikan'i Vohipeno no anisan'ny notsidihana ary nanolorany Jiro "lampadaire" 05 mandeha amin'ny herin'ny masoandro.
Voaresaka ihany koa ny fanarenana ato ho ato ny fotodrafitr'asa izay efa tontan'ny ela tokoa. Tsy azo hidovirana ireo raha hanolotra fitsaboana tsara kalitao ho an'ny vahoaka no tanjona.
Etsy andanin'izany, dia mbola ato anatin'ny fanatanterahana ny vaksiny faobe hiadiana sy hisorohana ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza sy ny ady amin'ny kitrotro isika eto Madagasikara ankehitriny, koa nanentana ireo zay mbola misalasala Ramatoa Minisitra satria ny fananana ankizy salama dia antoky ny hananana tanora tomady fototra iorenan'ny fandrosoana.
Rehefa vita ireo, dia nitsidika ny Tranobe Fenovola Ivato Ramatoa Minisitra Dr. MANAGNA Monira, nihaona tamin'ireo Mpanjaka sy Ndrenongny izy tamin'izany.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
Fitsidihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira ny Faritra Fitovinany
DIRCOM 12-déc.-2025
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...