Fitovinany : Fidinana Ifotony nataon-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka
Mitohy hatrany ny fitsidihan-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Fitovinany.
Taorian’ny fijerena ifotony nataony tao amin'ny CSB II Ivato Distrikan'i Vohipeno, dia nitohy ny dia sy ny fanaraha-maso ataon-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira hijery mivantana ny fivelaran’ny asa sy ny filàn’ny toeram-pitsaboana.
Nanolotra jiro 15 mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny CHRR Manakara ny Minisitra, ary jiro 10 fanampiny natolotra ho an’ny CSB II Maroalakely sy ny biraon’ny SDSP Manakara. Ireo dia fitaovana natao hanatsarana ny fahazavana sy ny fandraisana an-tanana ny vonjy taitra, sady hanohanana ny asa andavanandron’ny mpiasan’ny fahasalamana.
Nandritra ny fitsidihana, dia narahin-dRamatoa Minisitra akaiky ny fandraisana marary sy ny toeran’ny mpiteraka, ary nodinihiny ireo olana sy fanamby sedrain’ny mpiasan’ny fahasalamana : fotodrafitr’asa efa antitra, fitaovana tsy ampy, ary filàna fanatsarana amin’ny ankapobeny.
Nohamafisiny tamin’ireo mpiasa eny an-toerana ny maha-zava-dehibe ny fampidirana fomba fiasa vaovao, mankany amin’ny fanovana maharitra sy mahomby. Nentin’ireo mpiasan’ny fahasalamana avokoa ny fanamarihana sy fangatahana, ary notanterahin-dRamatoa Minisitra fandrenesana izany, ho fototra hananganana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy marina eny ifotony.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 12-déc.-2025
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...