FAHA DIMAMPOLO (50) TAONA NISIAN'NY "MISSION MEDICALE CHINOISE" TETO MADAGASIKARA : FIARAHA-MIASA EO AMIN'NY CHINE SY MADAGASIKARA

Dimampolo (50) taona no nisian'ny fandefasana ireo mpitsabo avy amin’ny Fanjakana Sinoa izay nanolotra fitsaboana, fiofanana, fifanakalozana ara-tsiantifika sy mahaiza-manao ary fampitaovana ho tombotsoan'ny Vahoaka.
Fiaraha-miasa izay nametraka ny fahasalamam-bahoaka ho laharam-pahamehana satria tokoa efa nahatratra 700 mahery ny mpitsabo sinoa namita iraka tao anatin’izany fotoana izany ary ny Faritra Androy, Atsinanana, SAVA ary Analamanga no ahitana azy ireo.
Raha ny amin'izao fotoana izao dia ny andiany faha-24 no mamita iraka, izay mitondra fahaiza-manao sy traik'efa matihanina ho fiarovana sy fanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy.
Maneho mazava izany ny firaisankina sy ny fifampitokisana lalina eo amin’ny Firenena roa tonta.
Tao amin’ny Faritra Androy, Distrikan’Ambovombe no nankalazana ny lanonana ofisialy, notarihan'ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, Kolonely RANDRIANIRINA Michael, notronin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, ny mpikambana vitsivitsy amin'ny Governemanta, ny Masoivohon'i Chine eto Madagasikara, SEM. JI Ping, ny manampahefana sivily sy miaramila isan-tsokajiny.
Nandritrin'ity fotoana ity ihany koa ny nanolorana ireo fitaovana : moto miisa 73 sy fiara 4x4 miisa 3, ary fanafody ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Androy, izay natao hanatsarana ny kalitaon’ny fitsaboana sy hanamafisana ny fahafahan’ny mpiasan'ny fahasalamana mamaly ny filàn’ny mponina ary hipaka hatrany amin'ny Kaominina CSB. Tsy ambanin'izany ny fanampiana momba ny angovo, ny ao amin'ny sehatry ny jono sy ny mponina ary ny fijerena ny vahoaka avy amin'ireo mpiara-miombon'antoka avy ao Androy.
Ity fankalazana ity dia porofo velona fa ny fiaraha-miasa eo amin’i Chine sy Madagasikara dia fiaraha-miasa maharitra, mivaingana ary mifantoka amin’ny soa iombonana, ho fanorenana hoavy salama sy mamiratra ho an’ny vahoaka Malagasy.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 18-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités