FITSIDIHANA NY CENTRE HOSPITALIER DE RÉFÉRENCE RÉGIONAL ANDROY

Manan-danja eo anivon’ny Faritra tokoa ary mandray an-tanana ny fitsaboana sy ny fikarakarana ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka ao an-toerana ny CHRR.
Vokatra azo tsapain-tanana no hita eo amin'ny fiaraha-miasa misy amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Fanjakana Sinoa izay nampiroborobo ny CHRR, satria efa am-polo taonany maro no nitondra anjara-biriky tamin'ny sehatry ny fitsaboana, fiofanana sy fampitaovana ny Mission Médicale Chinoise.
Tsy navela nandalo fotsiny izao fankalazana izao fa no marihina tamin’ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana sy fanomezana concentrateur d’oxygène. Izany no natao dia ho fitsinjovana manokana ny soa iombonana ho an’ny vahoakan’Androy sy ny manodidina.
Ny Masoivohon’i Chine miasa sy monina eto Madagasikara no nitarika ny delegasiona, ary nanatrika sy nisolotena ny Fanjakana kosa ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, tamin’ity fitsidihana ity.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 18-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités