FITSIDIHANA SY DINIKASA TAO AMIN'NY CSB II AMBOVOMBE

Taorian'ny fankalazana ny faha-50 Taona ny "Mission Médicale Chinoise", dia nitsidika ny CSB II teo an-toerana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira. Nihaona sy nitarika dinik'asa niaraka tamin'ireo mpiasan'ny fahasalamana ny tenany.
Tamim-pilaminana sy feno fifanajana tokoa ny fifanakalozan-kevitra. Hita taratra tamin'izany ny finiavana hitady ny fomba rehetra ahafahana manolotra fitsaboana tsara kalitao ho an'ireo mponina. Nanatrika ny fihaonana ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana ao Ambovombe izay nahitana an’Andriamatoa Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Androy, ireo Médecin Inspecteur ary ireo mpiara-miasa rehetra tsy an-kanavaka, ho fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fitondrana fanovana mankany amin’ny tsara amin’izao fotoam-panavaozana izao.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

DIRCOM 19-déc.-2025

Zoom sur

Nos autres Activités