FANOLORANA NY FITAOVANA HO AN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA AO ANOSY
Isan'ny imasoan'ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fametrahana ny fahasalamana ho zo fototra ho an'ny Malagasy. Anefa, lalana iray tsy azo odian-tsy hita raha hanatanteraka izany, ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra ary indrindra ny rafi-pahasalamana izay iandreketan'izy ireo.
Tao aorian'ny faritra Androy dia migadona ao amin'ny distrikan'ny Taolagnaro, faritra Anosy ireo delegasionina tarihin'i Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, Kolonely RANDRIANIRINA Michael, izay nahitana ireo mpikambana vitsy avy ao amin'ny Governemanta, anisan'izany i Ramatoa Minisitry ny Fahasamam-bahoaka Dr. MANAGNA Monira.
Nandritra izany no nanolorana ny moto cross miisa 112, fiara 4x4 iray sy ambulance iray ho an'ny Hopitaly. Izany dia ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana sy tompon’andraikitra ara-pahasalamana ao amin'ny Faritra Anosy ho fampandrosoana ny fahasalamam-bahoaka sy ho fitondrana fanovana mankany amin’ny fanatonana ny toerana lavitra mba hisitrahan'ny mponina ny tolotra sy fisorohana ara-pahasalamana tsara kalitao amin'izao fotoam-panavaozana izao.
Raha nandray fitenenana Ramatoa Minisitra dia nanentana ny mba hanaja ireo toromarika nomen'ny Filohan'ny Fanavaozana ary indrindra ny hanaja sy hikolokolo tsara ireo fitaovana mba hipaka tokoa any amin'ny Vahoaka ny fisian'izany satria tokoa “Raha salama ny vahoaka, mandroso ny Firenena”.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 19-déc.-2025
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...