KAOMININA AMBANIVOHITRA AMBOASARY | FITOKANANA NY CSB II AMPANGABE
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany ny CSB II Ampangabe, foto-drafitrasa ara-pahasalamana vaovao natokana hanatsarana ny fitsaboana sy ny fikarakarana ho an’ny mponina eny ifotony. Ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Moramanga, Andriamatoa RAJAOBELINA Lova Herizo, no nitarika ny lanonana fitokanana, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny vahoaka maro tonga nanatrika.
Tao anatin’ny kabariny, nanamafy izy fa laharam-pahamehana ny fahasalamam-bahoaka, satria fototra iorenan’ny fampandrosoana maharitra ny fananana foto-drafitrasa manara-penitra sy akaiky ny vahoaka. Nambarany fa ny CSB II dia natao hanamora ny fidirana amin’ny fitsaboana fototra, hampihenana ny fahasahiranana ateraky ny fivezivezena lavitra, ary indrindra hiahy ny reny sy ny zaza. Nisy ihany koa ny fitiliana maimaim-poana ny VIH/SIDA, ny diabeta, ary ny fanaovana vaksiny ho an’ireo zaza.
Ny fahavitan’ny foto-drafitrasa toy izao dia manaporofo fa rehefa mitambatra ny finiavana sy ny asa, dia miteraka vokatra hita maso ho an’ny vahoaka. Dingana lehibe ho an’ny fahasalaman’ny mponina sy ny hoavin’ny Distrikan’i Moramanga ity hetsika ity
DIRCOM 22-déc.-2025
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...