FARITRA DIANA -FANOLORAN-TENA HO AN'NY FAHADIOVANA SY FAHASALAMANA
Nampiseho firaisan?kina ireo mpiasan'ny fahasalamana tao amin'ny CHU Tanambao, ka nanao ny hetsika fanadiovana faobe satria anisan'ny tombotsoa lehibe azo amin’izao fanadiovana izao ny fisorohana ny fihanaky ny aretina, ny fanamafisana ny firaisan?kina ary indrindra ny fandraisana andraikitra ho fanatsarana ny fananana iombonana izay manatsara ny endriky ny toeram?pitsaboana. Manerana ny hopitaly, ny fanadiovana sy ny fikarakarana ny tontolo iainana dia hita fa anisan’ny fomba lehibe hanamafisana ny fiarovana ny fahasalamam?bahoaka, indrindra amin’ny fisorohana ny fiparitahan’ny aretina eo amin’ny mpiasa sy ny marary.
Niaraka nisalahy tamin’ireo tompon’andraikitra ara?pahasalamana sy ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra tao an?toerana i Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam?bahoaka Dr. MANAGNA Monira. Tamin’ny fotoana nitondrany ny hafatra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana tamin’izao faran’ny taona izao, dia nanentana izy ny amin’ny tokony handraisana araka ny tokony ho izy ny marary ary koa ny fanalavirana ny kolikoly ao amin’ny toeram?piasana, mba hanamafisana ny fahaiza?manao sy ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny tolotra ara?fahasalamana.
Nirary fety sambatra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra ihany koa i Ramatoa Minisitra raha namarana ny lahateniny.
DIRCOM 24-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...