FITSIDIHANA TAO AMIN’NY LA2M - ANDROHIBE : Fanamafisana ny fitiliana sy ny fanaraha?maso ara?pahasalamana.
Nisy ny fitsidihana notanterahina tao amin’ny Laboratoire d’Analyses et de Microbiologie Moléculaire (LA2M), izay nifantoka tamin’ny fanaraha?maso ireo fitaovana maoderina ao anatin’ity toerana ity sy ny fomba fampiasana azy amin’ny fitiliana ara?pahasalamana avo lenta. Nandritra izany no nijerena ireo fitaovana ara?teknika manan?danja, toy ny FluoroCycler XT, GenoXtract, Attune CytPix Flow Cytometer, Lecteur ELISA Infinite F50 sy ny maro samihafa izay azo ambara fa raitra avokoa.
Ireo fitaovana ireo dia manampy betsaka amin’ny fahafahana mamantatra sy manaramaso mialoha ireo soritr’aretina mety hiseho, ka ahafahana misoroka sy mandray fepetra ara?pahasalamana ara?potoana, ho fiarovana sy fanatsarana hatrany ny fahasalamam?bahoaka. Zava?dehibe izy ireny amin’ny fanamafisana ny rafitra fitiliana sy ny fahavononan’ny sehatry ny fahasalamana manoloana ireo aretina mety hitranga.
Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam?bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, no nitarika izany ho fanaraha?maso akaiky sy ho fanehoana ny fanoloran?tenan’ny Minisitera ny amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fitiliana ara?pahasalamana, ny fanaraha?maso ara?tsiantifika ary ny fampandrosoana maharitra ny rafi?pahasalamana eto amin’ny Firenena.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
DIRCOM 31-déc.-2025
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...