FISOROHANA SY ADY AMIN’NY FIPARITAHAN’NY ARETINA NENDRAN?DRAJAKO (MPOX)

Ho fanamafisana ny fepetra fisorohana sy ady amin’ny fiparitahan’ny Mpox, dia nanatanteraka fidinana ifotony Andriamatoa Tale Jeneraly misahana ny Fisorohana ara?pahasalamana, Dr. RAKOTOARIMINO Andrianina Désiré, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam?bahoaka. Fiaraha?miasa akaiky amin’ny Faritra Analamanga, tarihin?dRamatoa Clémence RAHARINIRINA, izao paik’ady mazava ho fanapahana ny mety hiparitahan’ity valan’aretina ity.
Marihina fa vao miala avy any Mahajanga dia efa misy ny fitsirihana avy hatrany ataon’ny tompon’andraikitra momba ireo fepetra ara?pahasalamana tokony arahana alohan’ny fiaingana. Misy “barrière sanitaire” ihany koa efa napetraka ao Belobaka raha iny RN4 iny no resahana. Mifameno amin’izany ny eo Mangarivotra, hanamafy ny fifehezana napetraka.
Misokatra andro aman’alina ireo toerana ireo, ary misy mpiasan’ny fahasalamana sy mpitandro filaminana mandamina ny fizotry ny fanaraha?maso izay hatao. Voakasik’izany daholo ireo fiara mifamezivezy. Tsara ny mizara fa misy ny fijerena hafanana, ny fandrarahana ranom?panafody amin’ny fiara, ary ny fijerena ny mombamomba ireo mpandeha. Miantsona eo an?toerana ihany koa ny “ambulance” raha toa ka ahitana tranga ahiahiana, izay hitondrana ny marary mankany amin’ny Hopitaly toy ny CHRD Ankazobe.
Ho an’ny tranga mampiahiahy dia tsy maintsy atao amin’ny alalan’ny fitiliana. Rehefa voamarina ny trangan’aretina Mpox amin’ny olona iray dia miroso amin’ny fitsaboana izay maimaimpoana, atoka?monina izy ireo anatin’izany fitsaboana izany.
Anisan’ny tanjona lehibe amin’izao fidinana ifotony izao ny fiarovana ny ain’ny tsirairay sy ny fahasalaman’ny vahoaka, indrindra fa ny mponina manerana ny Faritra. Paik’ady iray entin’ny Fitondram?panjakana, ho fanamafisana ny fiambenana ara?pahasalamana, ny fisorohana mialoha, ary ny fandraisan’andraikitry ny rehetra tsy iparitahan’ny loza mety aterak’ity otrik’aretina ity.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA

DIRCOM 02-janv.-2026

Zoom sur

Nos autres Activités