FITOKANANA NY BIRAON'NY IFIRP SY NY "GÉNÉRATEUR D'OXYGÈNE" AO AMIN'NY CHU PLACE KABARY

Talata 06 Janoary 2026 / FARITRA DIANA - ANTSIRANANA

Tanteraka androany ny lanonana fitokanana ny biraon’ny IFIRP sy ny "Générateur d’oxygène", hetsika lehibe ho fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fanatsarana ny tolotra omena ho an’ny vahoaka.

Nanome voninahitra izany Andriamatoa Filoham-panjakana Kolonely RANDRIANIRINA Michael mivady, niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Dr. MAGNANA Monira sy ireo mpikambana vitsivitsy ao amin'ny Governemanta, ary ireo tompon’andraikitra ambony isan-tsokajiny avy amin'ny Faritra, ho fanehoana mazava ny fanohanan’ny Fitondram-panjakana ny sehatry ny fahasalamana, indrindra eto amin’ny tapany avaratr’i Madagasikara.

Ireo fotodrafitr'asa sy fitaovana vaovao ireo dia hanatsara ny kalitaon’ny fitsaboana, indrindra ho an’ireo marary mila oxygène sy fikarakarana manokana, ary hanamafy ny fahafahan’ny CHU PLACE KABARY miatrika ny filàn’ny mponina ao Diana sy ny manodidina.

Amin’ny alalan’izao hetsika izao dia manamafy indray ny fanoloran-tenany ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fitondram-panjakana hanohy ny fampitaovana ny tobim-pahasalamana manerana ny Nosy, ho tanjona tokana: fahasalamana ho an’ny Malagasy rehetra.

 

MIASA MIARAKA ISIKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.

DIRCOM 06-janv.-2026

Zoom sur

Nos autres Activités