CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE DE GYNÉCOLOGIE-OBSTETRIQUE (CHU GOB) BEFELATANANA
Zoma faha 09 Janoary 2026 - FANATSARANA NY KALITAON'NY TOLOTRA ARA-PAHASALAMANA HO AN'NY RENY SY ZAZA
Ho fanamafisana ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana, dia nasongadina manokana ny fanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, izay isan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ankehitriny.
Vahaolana maharitra sy mamaly ny filàn’ny vahoaka malagasy no natolotra. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Japoney sy ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, dia nisy ny fanolorana fitaovana ara-pitsaboana vaovao mitentina 316 tapitrisa Ariary.
Zava-dehibe sy ilaina tokoa ireo fitaovana ireo, satria mihoatra ny 6 000 isan-taona ireo renim-pianakaviana tonga miteraka eo anivon’ity hopitaly ity, ary manodidina ny 600 kosa ny fandidiana tanteraka atao ao. Ireto avy ireo fitaovana natolotra: ventilateur d’anesthésie iray, incubateur telo, ary onduleur (UPS).
Tonga nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Dr. MANAGNA Monira, Andriamatoa TOJIMA Hitoshi, Masoivohon’i Japana miasa sy monina eto Madagasikara, ary ireo olo-manan-kaja isan-tsokajiny.
Hafatra mafonja nozarain-dRamatoa Minisitra momba ny fanajana sy fikolokoloana tsara ireo fitaovana ireo, ary nankahery hatrany ny mpiasan’ny fahasalamana amin’ny adidy masina iantsorohan’izy ireo, indrindra amin’izao fotoana iatrehana ny valan’aretina Mpox izao.
MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 09-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...