ADY AMIN’NY VALANARETINA MPOX : FANAMAFISANA NY FANARAHA-MASO ENY ANIVON’IREO SERANAM-PIARAMANIDINA NATAON'NY COUSP FOIBE
IVATO, TALATA 13 JANOARY 2026
Mba hanapahana ny fiparitahan'ny valanaretina Mpox izao dia mipetraka ho laharam-pahamehana ny fisorohana sy ny fanaraha-maso izany aretina izany. Araka izany, notanterahina teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato ny fivoriana, narahana fifanakalozan-kevitra sy fikaonan-doha izay niarahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny eo anivon'ny seranam-piaramanidina.
Ny tanjona amin’izao fivoriana izao dia ny hanamafisana sy hanavaozana ireo paik'ady napetraka eny amin’ireo vavahady fidirana sy fivoahana ny Firenena, amin’ny maha-toerana saro-pady azy ireny.
Ny fifampidinihana dia nifantoka manokana tamin’ny fanamafisana ireo fepetra fanaraha-maso ara-pahasalamana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ho fiarovana ny vahoaka Malagasy.
Amin’ny alalan’izao ezaka fiaraha-mientana izao, dia manamafy indray ny fanoloran-tenany ny Fanjakana Malagasy amin’ny fiarovana ny fahasalaman’ny mponina amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra hentitra sy maharitra manoloana ny valanaretina Mpox.
MIASA MIARAKA ISIKA HO AN'NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA
DIRCOM 13-janv.-2026
Zoom sur
Nos autres Activités
Lever de Drapeaux
18-nov.-2024ankon'ny fananganan-tsaina
Nisolo tena an’Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, ny Tale Jeneraly misahana ny Tolotra...
Thème du mois
Andro Manerantany Iadiana amin'ny VIH/SIDA
Manan-danja ny lanonana tamin’ity taona ity, notronin’ny Minisitrin’ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo,...
Evenement
07-avril-2025FANKALAZANA NY ANDRO MANERANTANY HO AN’NY FAHASALAMANA 2025
"Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana " izany no lohahevitra noentina nankalazana ny Andro manerantany ho an'ny...
Mendrika Izy
NOMENJANAHARY VOLOLONIAINA MICHELLE
izay 9 (sivy) taona niasana tao amin'ny CSB2 Bekoratsaka. Vehivavy mamy hoditra eo amin'ny fiaraha-monina ary hita taratra izany eo amin'ny...